Madagasikara mitolona
Mampalahelo tokoa ny mahita ny fahafatesan'olona maro (efa ho anjatony) sy ireo very fananana vokatr'ity korontana misy eto Madagasikara ity. Eny rey olona, fa tsy horohorontany, tsy hetraketraky ny natiora, tsy dorotanety na rivodoza no mandripaka eto, fa dia ny fahotan'ny olona ihany.
Isika ihany no manary ny aintsika anie. Manimba, mandoro, mamono.
Dia hono hoy aho, inona no tombotsoa azo @ zao korontana rehetra miseho izao?
Ny vakitrano sy ny halatra isankarazany? Mitondra inona? Harena kely voatsirambin'ny tànana ve. Nefa ireny ve de atakalo ny aina ?
Io fahotana kely io, io fitiavan-karena io, io ve dia atakalo ny aina sy ny hoavy mandrakizay ny fanahy?
Rehefa tsy ny fahotana sy ny vokadratsy aterany no iadiantsika isanandro fa ny fahefamividy, laza sy voninahitra, dia toy ny mian-dranomasina mitondra lakana feno lavaka. Mivoy mivoy hatrany fa miha milentika milentika ihany.
Marina fa misy ireo mieritreritra fa miady ho amin'ny fampanjakana ny fahamarinana izy, dia @ fomba ahoana anefa? "La fin justifie le moyen" ve? Tsy ny baiboly no mampianatra izany, fa amin'Andriamanitra ny "moyen" no mitondra ho @ "la fin", hotsaraina @ izay rehetra ataony ny olona rehetra hatramin'ny antsipiriany farany kely indrindra aza. Ary voakasik'io ny rehetra na ny vahoaka na ny mpitondra.
Mivavaka isika ary tokony hivavaka foana ho an'i Madagasikara sy ireo mpiray tanindrazana. Saingy miankina 100% amin'ny fanapahankevitry ny tsirairay no antoka mampivoatra ny firenena, dia ny fialàna tanteraka @ làlana efa mahazatra-n'ny fahotana ary faneken'ny tsirairay hanjakan'ny fitiavan'i Jesosy eo @ fiainany. Jesosy izay efa nanaiky hitondra ny fahotantsika tsirairay, Izy no ekena ho Tompo hitarika @ izay rehetra atao. Tsy mila filaharana izany, tsy mila tolona sy fitokoana, fa famonjena maimaimpoana tsy vidiana. Ho an'izay manaiky ny handray Azy.
Raha tsy ampy intsony ny ao am-bilianao anio, ka maizina aminao ny ampitso, Jesosy vonjena haingana, fa Izy no mahavaha maika sy tanteraka ny olanao. Fa tsy olona na tsangan'olona loatra.
Hozy ny toriteny omaly alahady izay, aoka tsy ho diso cible isika @ ady ataontsika isanandro @ fianana (fa ady ny fiainana ho an'izay tsy mbola mahalala), fa tsy olona izany, tsy zavatra, tsy firehana, tsy fombafomba na kolotsaina, fa devoly sy ny fahotana. Tsy ny "tsy fananambola" loatra no tena olana @ fiainantsika isanandro, tsy ny sakafo tsy ampy, tsy ny hena tsy ohanina na ny lasantsy miaka-bidy, tsy izany loatra, fa ny fahotana sy ny aterany ka mahaiza miady ary aza very fahavalo aodikodin'i satana saina fa izy no tena rangory fototry ny afo.
Tsy ny mpangalatra, mpanendaka na ny rivodoza no tena hanao "dommage" lehibe amin'ny fiainantsika, fa ny fahotana sy ny fandrik'i devoly, koa samia mailo. Arovy ny tenanao, arovy Madagasikara, hozy ny slogan malaza be iray izay.
02/04,2009, at 20:57
Visit Ramalagasy
Raha misy ny manjo, dia ny nahatonga azy no jerena. Milaza devoly sy satana ianao, koa inona moa no nahatonga ireo teto raha tsy ny fomban-drazana : famadihana, mivavaka @ razana, ... !!! MBola fomba io ary io no itantanan'ny devoly ny malagasy la mahatonga azy mifamono, mahantra, mandroba ... toy izao !!!! Mahery ny devoly rehefa omena toerana ambony. MIVERENA MIVAVAKA @ ILAY NAHARY IZAO TONTOLO IZAO RY MALAGASY Ô.
02/03,2009, at 16:00
Visit Tokinao
Misaotra Rhevinilsen a!
>>>>efa-taona aza : totan'ny hehy aho ato marina llooll. Misaotra e!
02/03,2009, at 14:19
Visit efa-taona aza
Hozy ilay zanako kely 4 taona ato mijery ny vokatry ny dian-tanan'i Andry TGV hoe: "Asaivo manadio amizay!" Heveriny fa mitovy amilay izy tenenina hanadio avy manakorotana kilalao angamba izy ity. Dia hoy aho hoe: "Impossible ny hanadiovany an'izao fa mandoto sy manimba ihany ny hainy" Dia hoy izy nefa ary izany 4 ans izy ry Andry an: "Manana tanana roa izy ka ahoana no tsy hahay hanadio, ampiasainy ny tanany roa" Dia hoy aho anakampo: "Ka na manana tanana roa aza, ny atidoha ange no mibaiko ny tanana e!" Ny atidoha aloha no ampiasaina voalohany!