Toraka bilaogy kely politika mba tsy aritra
Hay vare ka tsy ny daewoo sy ny 1M d'hectare-ny ihany kay no nivarotan'ireo izay teo @ fitondrana ny tanindrazana fa efa nahazo 465000 ha ihany koa ry indien Varun international???
Ary mbola mety misy hafa koa angamba any efa nividy koa fa tsy fantatra?
Dia firy metatra zany sisa no iainan'ny gasy vendrana sy ambany hoatra anay???
Jereo ity article ity:
etude n'ny firenena mikambana , sao misy milaza fa mandainga ndray
Efa lasa any zany ny ampahan'io vola io? de iza no nihinana azy??
Zany tokoa lay hoe mivarotra tanindrazana rey olona
De ao @ zao moa ny miady seza sy mifandripaka de mande ihany ... nefa ny olona avy ety ivelany misoloky, mandrisika sy mitsetsitra mihomehy fotsiny.
Rehefa azo ny tany, azo ny harena ankibon'ny tany (vatosoa, volamena, petrole atsy ho atsy), azo ny fuite des cerveaux, azo ny harena andranomasina (ny mpijirika trondro sy pirate jerena fotsiny), ny rano aza misy mangalatra,... FAIKANY SISA tavela eo,
De mody ampiany @ zay le gasy be zesta hoe atao hono ny fandrosoana haingana e, demokrasia e, mangarahara e,... sns...bla bla bla... de oé oé oé hozy ny gasy kely... ze alefa eo mety avokoa...13 mai, oéoé, zanadambo, magro, HAT!sns .....e e tsy avotra e
Haiti aza mbola misy antenaina !!!!!
Oviana foana vao ho tonga saina???
N.R.
03/18,2010, at 19:18
Visit N.RHEVI
Ny olana anie ry izy mirahalahy Mr XXX sy Zafintaolo ... tsy @ lay hoe fampanofana mihitsy e (tsisy hiteny mihitsy raha hampanofa 100ha ny sefo), fa ilay velarana no mahatonga azy ho tsy zavatra tsinotsinona intsony fa miantraika @ firenena manontolo sy ny mponina malagasy (rah tsy lazaina hoe ireo monina @ ireo toerana voakasika @ fampanofana). Mba eritrereto ihany hoe zany 1M + 460000 ha zany (sao dia tsy mahay manisa koa ary reto tsika. izany anie hoatran'ny hoe mampanofa an'i madagasikara manontolo, satria efa 3/4 x n'ny tany azo volena eto dago anie zany e. Manginy fotsiny ny consequence environnemental @ zany. Ireo zay efa miady tany ambolena @ zao fotoana noho ny tsy fahmpian'ny politika mpanjakana n'ny rano (irrigation), mbola esorina koa ny antsasaky ny tany azo volena, ary ahodina mankany ny rano afaka anondrahana ... sns. Za tsy mbola nanao fanadihadina (etude) an'zany fa mety ho CATASTROPHIQUE ho an'ny mponina eo @ manodidina ny vokany... hoatran'ny mahazo ireo mponina any @ iny faritra Amerika latina iny noho ny fidiran'ireo fambolena vaventy (industriel)... Hoy aho hoe ... mba diniho ihany zay atao... mba ialako @ teniko voalohany hoe ...tena manaonao foana mihitsy reto!!
03/17,2010, at 18:59
Visit Mr XXX
RHEVI < Tsy tokony hiditra amin'ny loviako satria tokony ho an'ny firenena no tiako lazaina. MAtoa aho niteny hoe aleo ahofa (izay tsy midika mihitsy hoe "varotana ny tanindrazana") dia satria hampiditra vola ho an'ny firenena farafaharatsiny. Manginy fontsiny ny fampandrosoana ny manodidina rehefa avy eo (jereo ny zava-misy any Honk-Kong). Ataoko fa efa nahazo anatra ny tamin'ny lasa ny malagasy ka hitandro ny fananany, raha tsy izany dia tokony mbola haka traikefa indray fa tena mbola tsy au point tsara ilay taloha araka ny voalazanao ! Tena ANATRA izao korontana sy fahantrana misy an-tanindrazana izao. Ary tena marina mihitsy ny voalazan'ny Zafintaolo @ blaoginy fa vakio fa tena miombon-kevitra aminy aho " http://zafintaolo.blaogy.com/post/1138/7151 " Ny imasoana izao dia ny hampandrososna miaraka ny tanindrazana. Sa aleo ve ho eo ampelatanan'ireo olom-bitsy HAT ankehitriny mandroba ny fananam-pirenena dia @ izay malagasy ihany no mahazo azy sady maimai-poana ? Fehiny : ALEO AHOFA REHEFA TSY MISY ANAOVANA AZY NY TANY AHAZOANA TOMBONY HIARAHA-MANANA !
03/17,2010, at 09:22
Visit zafintaolo Mampihomehy! Izao kosa no fahitako azy. Lease = Fanofana = Location à bail. Ilay tany tsy hoe "navarotra" dia lasan'ny Daewoo sy Varun fa nampanofaina, midika izany fa mbola antsika ihany satria mbola eto Madagasikara fa tsy nobatain'ny vahiny nentiny any aminy na ho lasa fananany mandrakizay. Ny "FANOFANA TANY", na koa ilay antsoin'ny tantsaha hoe "MITELO"(an'ny tompon-tany ny 2/3 na 1/3-ny vokatra) na "MISASAKA" (an'ny tompon-tany ny antsasaky ny vokatra), na ny manofa amin'ny alalan'ny fanomezam-bola ny tompon-tany dia efa fomba fanaon'ny mpamboly Malagasy hatrizay. Fa rehefa miditra politika fotsiny ilay izy dia lasa hafa no andraisana azy. Amiko tokony niady varotra tsara fotsiny ny mpitondra fanjakana teo aloha hoe aleo anay ny ampahany amin'ny vokatra, na nanao fitsapan-kevim-bahoaka alohan'ny nampanofaina an'ilay tany. Fa raha araka ny voalaza manko dia tany karakaina tsy misy mpamboly, sarotra ambolena raha tsy amin'ny alalan'ny fampiasana teknolojia vaventy sns ilay izy fa tsy tanin'olona volen'ny Malagasy.
03/17,2010, at 04:10
Visit N.RHEVI
Mr.XXX
Angalana fahaizana ahoana e? nanao lalamby ny mpanjanatany, nanao lalana ny voanjo, nanamboatra port ny vazaha, nitondra fiarakodia nampandriana tany, noterena SMOTIG ny gasy... hatra@ zao na ny manao entretien'reo navelan'ny mpanjanaka reo aza tsy vitan'gasy...ny fatapera fangady sy ny savony ary ny vilany aluminium nampianarin'i Laborde aza mbola tsy nisy fivoarana fa mbola iny ihany hatr@ zao nefa de nibitaka ery anie isika zany nianatra ka nahay e!!! ...
Rehefa tsy mahafehy ny antsika isika dia araraotin'ny sasany ... sao zay tokoa ny olana ... tsy mbola nisy mpitondra tena nahafehy sy nahaaro an'i Gasikara hatrany @ nofinofin'Andrianampoinimerinaka mandrak'androany, na koa tsy tena ny malagasy no nitondra ny firenena fa familles vitsivitsy ao iarivo ao.
03/17,2010, at 03:52
Visit N.RHEVI
Jentilisa> Tsy za aloha no mesia hahita vahaolana hanavotana an'i gasikara, ka tsy mendrika hamaly n'zay fanontanianao izay akory...
Za saika hiteny hoe " raha ny oloko antsoina @ anarako no ...sns" ...efa haintsika tsianjery... saingy ny mampalahelo dia ny mpitondra fivavahana indrindra no tena maizina ary mitondra any @ maizina ny firenena
Mbola misy olon'Andriamanitra tavela ve ao dago? (voir definition olon'Andriamanitra)
Mr XXX ->> Tsy temoin de Jehovah aho ka, ny TDJ tsy manaiky an'i Jesosy ho Kristy (Andriamanitra).
03/17,2010, at 03:41
Visit N.RHEVI
Zay indrindra ny olana ry Mr XXX tsy hisy hiditra andoviako mihitsy tokoa iny satria fantatra loatra ny fitiavantenan'ny gasy toa ahy toa anao, ... asa hiditra any andovianao angamba, nefa tsy anao koa anefa io tany io fa an'ny malagasy firenena, ka nahoana no amidinao sy ahofanao hiditra any ambilianao fa tsy zaraina iarahan'ny malagasy mihinana?
Tsy afaka ampitoviana mihitsy ny fampanofana 1M + 460mill sy ny fampanofana tany sinoa hanitarana an'i Hongkong mba hiarovana ny ivotoeran'ny voanjo (colon) britanika tao t@ 19e siecle. Ary tsy modely mihitsy aza izany fa tena interets n'ny mpangorokarena sy mpanjanatany. ty fotsiny jerena http://en.wikipedia.org/wiki/Convention_for_the_Extension_of_Hong_Kong_Territory.
Efa tsy masina amin'ny generation gasy @ zao fotoana tokoa izany ny tanindrazana, raha ny firesakao no dinihana ... tsy hahagaga raha toy izao no zavamiseho @ firenena ...
03/16,2010, at 22:23
Visit Mr XXX
témoin de jehovah ve ianao izany ?
03/16,2010, at 22:19
Visit Mr XXX
Ka ramalagasy efa nanana tany h@ izay tsy natao inona tsy natao inona. Alao mba halefa ahofa amin'ny hafa angalana fahaizana sy fampandrosoana fa ireo tany nagataka koa anie tena avo amin'ny teknolojia e ! LAzaiko anao fa jereo i Honk-Kong fa tena faran'izay nandroso be satria nanome tany ny anglisy nandritra ny 99 taona dia avy navelany amin'izay tapitra ny fotoana ! makà ohatra tsara fa aza jamban" ilay fiteny zary fitenenana hoe "mivarotra tanindrazana", na varotana ary iny moa misy hiditra ny lovianao ve, na tsy varotana iny tsy misy tombony ho anao koa ! tandremo fa ny fiteny fiteny ihany matetika tsy mampandroso, ny fomba fomba ihany tsy mampandroso fa vao maika mihamahantra aza !
03/16,2010, at 19:45
Visit jentilisa
Ka avelao hitondra ve ny mpitondra satria politikan'ny tany izy ity sa ahoana izany no tokony ho hevitrao? eo indrindra anie isika izao e: ahoana ary ny atao mba tsy hisy fangalarana izay eo amintsika intsony?
03/16,2010, at 13:02
Visit news2dago
rhf tg ny farandro vao domy ra naotra e!