Teny 2 manafaka ny olanao : mampihomehy

Published on 17:03, 12/23,2008

 

Teny 2 manafaka ny olanao. Sendra mba hitako tany ho any ity video ity dia mba nozaraiko koa fa mahafinaritra.

Tsy fantatro na efa mandroso be ny counseling sy ny psychanalyse any Madagasikara fa raha any @ tany mandroso dia tena miroborobo be mihitsy io zavatra io. Ny antony moa dia noho ny hasarotry ny fianana andro aman’alina, ary eo koa ny fananan’ny olona moyen hanatsarany ny toepiainany.


Afaka manoratra code bar mampiasa ity logiciel ity: Barcode Writer in Pure PostScript

Published on 09:31, 12/23,2008

 

Thumbnail via WebSnapr: http://www.terryburton.co.uk/barcodewriter/Efa elaela ihany izay nitadiavako logiciel gratos ahafahana mi-imprimer code barre izay, ka inty eto hita. Kamo manko ny tena hoe hanoratra logiciel hiprint code barre. Misy ihany ny vahaolana toy ny fampiasana barcode font , izay matetika amidin-ndry zalahy. Ao ihany koa ny fampiasana logiciel specifique izay tsy maintsy mila imprimante specifique ihany koa.

Fa ity eto ity toa azo multiplatforme no koa open  source. Jereo ato @ google code ny source-ny http://postscriptbarcode.googlecode.com/svn/

Ireto koa aza efa misy logiciel afaka mampiasa azy avy hatrany. Koa dia mirary anareo hahita ny mahasoa.

ScribusScribus for Linux and Windows users.

KBarcode KBarcode is for Linux and KDE 3.

pst-barcode pst-barcode  for the LaTeX document publishing system.

Ruby Ghostscript Barcode Ruby Ghostscript Barcode  for PDF document generation.

Web-based demo Web-based generator

Mandrapanoratra

N.RHEVI

Barcode Writer in Pure PostScript