Madagasikara mitolona
Mampalahelo tokoa ny mahita ny fahafatesan'olona maro (efa ho anjatony) sy ireo very fananana vokatr'ity korontana misy eto Madagasikara ity. Eny rey olona, fa tsy horohorontany, tsy hetraketraky ny natiora, tsy dorotanety na rivodoza no mandripaka eto, fa dia ny fahotan'ny olona ihany.
Isika ihany no manary ny aintsika anie. Manimba, mandoro, mamono.
Dia hono hoy aho, inona no tombotsoa azo @ zao korontana rehetra miseho izao?
Ny vakitrano sy ny halatra isankarazany? Mitondra inona? Harena kely voatsirambin'ny tà nana ve. Nefa ireny ve de atakalo ny aina ?
Io fahotana kely io, io fitiavan-karena io, io ve dia atakalo ny aina sy ny hoavy mandrakizay ny fanahy?
Rehefa tsy ny fahotana sy ny vokadratsy aterany no iadiantsika isanandro fa ny fahefamividy, laza sy voninahitra, dia toy ny mian-dranomasina mitondra lakana feno lavaka. Mivoy mivoy hatrany fa miha milentika milentika ihany.
Marina fa misy ireo mieritreritra fa miady ho amin'ny fampanjakana ny fahamarinana izy, dia @ fomba ahoana anefa? "La fin justifie le moyen" ve? Tsy ny baiboly no mampianatra izany, fa amin'Andriamanitra ny "moyen" no mitondra ho @ "la fin", hotsaraina @ izay rehetra ataony ny olona rehetra hatramin'ny antsipiriany farany kely indrindra aza. Ary voakasik'io ny rehetra na ny vahoaka na ny mpitondra.
Mivavaka isika ary tokony hivavaka foana ho an'i Madagasikara sy ireo mpiray tanindrazana. Saingy miankina 100% amin'ny fanapahankevitry ny tsirairay no antoka mampivoatra ny firenena, dia ny fialà na tanteraka @ là lana efa mahazatra-n'ny fahotana ary faneken'ny tsirairay hanjakan'ny fitiavan'i Jesosy eo @ fiainany. Jesosy izay efa nanaiky hitondra ny fahotantsika tsirairay, Izy no ekena ho Tompo hitarika @ izay rehetra atao. Tsy mila filaharana izany, tsy mila tolona sy fitokoana, fa famonjena maimaimpoana tsy vidiana. Ho an'izay manaiky ny handray Azy.
Raha tsy ampy intsony ny ao am-bilianao anio, ka maizina aminao ny ampitso, Jesosy vonjena haingana, fa Izy no mahavaha maika sy tanteraka ny olanao. Fa tsy olona na tsangan'olona loatra.
Hozy ny toriteny omaly alahady izay, aoka tsy ho diso cible isika @ ady ataontsika isanandro @ fianana (fa ady ny fiainana ho an'izay tsy mbola mahalala), fa tsy olona izany, tsy zavatra, tsy firehana, tsy fombafomba na kolotsaina, fa devoly sy ny fahotana. Tsy ny "tsy fananambola" loatra no tena olana @ fiainantsika isanandro, tsy ny sakafo tsy ampy, tsy ny hena tsy ohanina na ny lasantsy miaka-bidy, tsy izany loatra, fa ny fahotana sy ny aterany ka mahaiza miady ary aza very fahavalo aodikodin'i satana saina fa izy no tena rangory fototry ny afo.
Tsy ny mpangalatra, mpanendaka na ny rivodoza no tena hanao "dommage" lehibe amin'ny fiainantsika, fa ny fahotana sy ny fandrik'i devoly, koa samia mailo. Arovy ny tenanao, arovy Madagasikara, hozy ny slogan malaza be iray izay.